NY FANANGONANA LAHATAHIRY


Nanomboka ny volana aprily 2018, ny fikambanana PRÎSM dia nanangona lahatahiry momba ny fivoaran’ny haran-dranomasina sy ny tontolo iainany amin’ny toerana voafidy miisa 5 manodidina ny nosy Sainte-Marie. Ity fanaraha-maso ity dia atao araka ny dingana napetraky ny GCRMN (Global Coral Reef Monitoring Network), izay ahafahan’izy ireo mizara amin’ny foibem-pikarohana isam-paritra sy manerantany.

Ny fanangonana lahatahiry dia atao amin’ny toerana voafidy miisa dimy  manodidina ny nosy ary maneho ny fahasamihafan’ny toetra ny tontolo iainana (toerana voafidy roa any farihy amin’ny morontsiraka andrefana, ny iray eo amin’ny tehezan’ny haran-dranomasina any atsimon’ny nosy ary ny roa farany amin’ny nosikely haran-dranomasina amin’ny morontsiraka atsinanana).
Ny lahatahiry  dia angonina ny volana Janoary, Aprily, Jona ary Novambra eny amin’ireo toerana voafidy  tsirariray ireo (ny volana Novambra ihany ny an’ny “benthos”). Ny fepetra fizika (daty, ora, rano, mari-pana, halaliny) dia voasingana ihany koa.

Ny fomba fakana ny santionany amin’ireo toerana voafidy  dia nosafidiana manokana mba ho tafiditra anatin’ny tahirin’isa isam-paritra sy manerantany. Izy ity no fomba fanisana eo amin’ny fitsim-pamantaranaamin’ny alalan’ny fampiasana “scaphandre autonome” (UVC = Underwater Visual Census), ampiasaina amin’ny fomba mahazatra amin’ny tontolon’ny haran-dranomasina ary eken’ny GCRMN (Global Coral Reef Monitoring Network). Izy io dia mifototra amin’ny fananganana  fiantsonana maharitra, vita amin’ny alàlan’ny fametrahana ny fototra vita amin’ny tsatoka vy. Tady iray mirefy  60 metatra (20 m miverina in-3) no mihenjana eo anelanelan’ireo tsatoka vy ireo ka ny fanisana ny vondrom-piarahamonina “benthique” sy ny trondro no hisaina amin’io faritra  io (misy 2,5 m eo amin’ny andaniny roa ary mihoatra ny haavon’ny andry rano ho an’ny trondro).

Ho an’ny “benthos”, ny lahatahiry voangona isaky ny 25 sm manaraka ny halavan’ny tady  (eo amin’ny 241 isa) dia ny fototra sy izay mandrakotra ny fototra amin’ny lafiny endrika, sy karazana haran-dranomasina (nanomboka ny Janoary 2020) ary karazana ahidrano.

Mahakasika ny trondro , dia 16 karazana* no voa singana manokana (famantarana araka ny karazana hatramin’ny Janoary 2020). Ireo karazany 16 ireo dia nofantenana noho ny anjara asany eo amin’ny tontolo iainana. Mandritra ny fitsim-pamantarana ny trondro no hamaritana ny karazany, ny isany eny an-toerana ary ny habeny.

Manangona sy mitahiry izany lahatahiry izany izahay mba ho mora zaraina amin’ny foibem-pikarohana na fikambanana hafa mety mila izany. Aza misalasala mifandray aminay raha toa ka mahakasika anao izany.

*Ireo karazana voa singana: Pomacanthidae, Balistidea, Scombridae, Lethrinidae, Carangidae, Acanthuridae, Caesionidae, Haemulidae, Serranidae, Chaetodontidae, Scaridae, Siganidae, Dasyatidae, Carcharhinidae, Kyphosidae, Lutjanidae.


 
 
This site is registered on wpml.org as a development site. Switch to a production site key to remove this banner.