TETIKASA HARAN-DRANOMASINA NOSY SAINTE-MARIE


Ny PRÎSM dia fikambanana ahitana siantifika, mpanao antsitrika ary mpaka sary izay miaramiasa amin’ny ivo fananovana antsitrika BORA DIVE and RESEARCH nanomboka ny taona 2018, ahafahana manaramaso ny fivoaran’ny haran-dranomasina manodidina an’ny nosy Sainte- Marie any Madagascar. Ny PRÎSM dia manohana ny tetikasa GDZCOI (Gestion Des Zones Côtières de l’Océan Indien) izay tantanan’ny GRET (Groupe de Recherche et d’Échange Technologiques) sy ny PCADDISM (Plateforme de Concertation des Acteurs du Développement Durable de l’île Sainte-Marie).

 

NOSY SAINTE-MARIE


Any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagascar no misy ny nosy Sainte-Marie izay ahitana karazan-java-manan’aina an-dranomasina maro be: morontsiraka mifono vato granita, ahidrano, nosikely vatohara, haran-dranomasina sy ny lagona any atsimon’ny Iles aux Nattes, ary ny haran-dranomasina hita eny amoron-tsiraka atsinanana sy andrefana. Ireo toeram-ponenana mifameno ireo dia toerana manan-danja izay ankafizin’ny trozona. Io biby mampinono velona an-dranomasina io dia tonga miteraka any isan-taona eo anelanelan’ny volana Jona sy septambra. Tsikaritra maneran-tany fa na ny olombenona sy ny tontolo iainana dia misedra fikorotanan’ny fomba fiainana: ny fiakaran’ny maripanan’ny tany, ny fahasimban’ny tany, fanjonoana mihoa-pampana, ny fandotoana… Eny amin’ireo faritra ireo izay ivon’ny toe-karena, ny tontolo iainana, ny fizahan-tany sy nentipaharazana, dia miezaka manakatra sy mandinika izay fiovana izay no vaindohan’asa afahana manomana ny fiantrehena an’izay.

 

FOMBA FANARAHA-MASO


PRÎSM dia mampiasa ny fomba fanangonana lahatahiry ampiasain’ny GCRMN( Global Corail Reef Monitoring Network). Ireo mpanao an-tsitrika ireo dia nohofanin’ny fikambanana MAREX tamin’ity fomba fanangonana lahatahiry ity ka afahana manantanteraka singa 4 isan-taona amina toerana voafidy miisa dimy. Io fomba io dia entina manara-maso ny fivoaran’ny haran-dranomasina (fanombanana ny habetsahan’ny haran-dranomasina, ny harena voajanahary, ny fisian’ny ahidrano, sns.) sy ny tahiry trondro izay monina ao (mifototra amin’ny karazam-biby famantarana sy voafantina). Ireo mpaka sarin’ny fikambanana ihany kou dia manatanteraka ny fanaraha-maso an-tsary ny haran-dranomasina amin’ny alalany tahirin-tsary ny trondro sy harana.

 

 

NY MPIARA-MIASA AMINTSIKA


Ho fanampin’ny fanoanana ara-pitaovana sy logistika nomen’ny BORA DIVE and RESEARCH, nanomboka tamin’ny taona 2019 ny tetikasa dia novatsiana tamin’ny halalan’ny tahirim-bola manokana. Tianay ny misaotra ireo olona izay manohana ny PRÎSM amin’ny fomba fiasa sy fihetsika ara-tsiansa izay ataon’izy ireo.

 
 
This site is registered on wpml.org as a development site. Switch to a production site key to remove this banner.