PRÎSM


Ny Prîsm dia tetik’asa siantifika manangona lahatahiry momba ny zava-manan’aina biolojika anaty vatohara. Ity tetik’asa ity dia manohana ny finiavanan’ireo mponina any an-toerana amin’ny alàlan’ny PCADDISM, ahafahana mamorona “faritra arovana an-dranomasina” na “Aires Marines Protégés (AMP)” sy mitady vahaolana amin’ny fahasimban’ny tontolo voajanahary ny nosy.


Ny nosy Sainte-Marie dia hita eo amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagascar. Fito-polo kilometatra ny halavany, dimy kilometatra ny sakany: toa paingotra iray napetraka teny amin’ny ranomasimbe Indianina. Ny haran-dranomasina dia miitatra manaraka ny morontsiraka atsinanana ka maka endrika peratra rehefa eo atsimon’ny nosy.
Amin’ny alàlan’ny traikefan’ireo mpanjono any an-toerana, ny fanadihadiana nataon’ny mpahay siansa sy ireo mpanao an-tsitrika, dia hita miharihary fa ny haran-dranomasina manodidina ny nosy dia iharan’ny fahasimbana amin’ny ankapobeny. Izany dia arahany fihenan’ny fandrakofana haran-dranomasina amin’ny habeny sy ny fihenany isan’ny trondro.

Mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fifandraisan’ny fahasalaman’ny  haran-dranomasina sy ny fivoharan’ny mponina (izay ahitana 75% ny mponina dia mpanjono), no nahatonga vondron’olona mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny nosy hanangana ny PCADDISM  (Plateforme de Concertation des Acteurs du Développement Durable de l’île Sainte Marie) . Ny vondrona dia tohanan’ny GRET (Groupe de Recherche et d’Échange Technologique) ao anatin’ny tetik’asa GDZCOI  (Gestion Des Zones Côtières de l’Océan Indien) novatsian’ny FFEM  (Fond Français pour l’Environnement Mondial) sy ny COI (Commission de l’Océan Indien). Ny tanjon’ity tetik’asa ity dia ny fanamasifana ny fanatsarana ny fandraisana anjara ny  mpisehatra eo an-toerana mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana voajanahary, indrindra amin’ny alàlan’ny fananganana ny “faritra arovana an-dranomasina” na “Aires Marines Protégés (AMP)”.


Tamin’ny volana novambra 2017, ny ekipa siantifika  MAREX (fahaizamanao sy fanorona hevitra manodidina ny tontolo iainana an-dranomasina) dia voa antso tany Sainte-Marie tao aorian’ ny famatsiam-bola avy amin’ny  COI (Commission de l’Océan Indien).
Noho ny fanampian’ny ara-logistika avy amin’ny BORA DIVE and RESEARCH, ankoatra ny fikarohana hafa izay ataon’izy ireo,  ireto siantifika  ireto dia nanantontosa antsitrika 57 voamarina amin’ny GPS sy voafaritra mialoha manodidina ny nosy mba ahafahana manao fizahana ekolojika amin’ny morontsiraka.

Taorian’io fizahana  io dia nametraka toerana voafidy  miisa 5 ireo siantifika ireo ary nanatanteraka fari-pahaizana (trondro sy benthiques) tamin’ireo toerana voafidy  tsirairay avy ireo (jereo ny pejy Rapports scientifiques)


Vokatr’ity iraka siantifika ity dia nahorina ny PRÎSM. Teo ambany fitarihan’i Jean Loncle sy Luciano Landry dia tafatsangana ny ekipa tsy miankina iray izay ahitana mpaka sary, mpisitrika sy mpahay siansa ka namorona ny fikambanana PRÎSM.

Noho ny famatsiam-bola maro tsy miankina, ny fiaraha-miasan’ny foibe antsitrika BORA DIVE and RESEARCH sy ny fanampiana ara-bola an’ny fikambanana CETAMADA (fiarovana ny biby mampinono an-dranomasina sy ny toeram-ponenany eto Madagasikara), ny PRÎSM dia nikarakara ny fiverenan’ny MAREX tamin’ny volana Janoary 2018 ho an’ny fiofanana ambaratonga 1 momba ny teknika fanaraha-maso ny fahasalaman’ny haran-dranomasina sy ny famantarana ny zavamiaina biolojika.

Taorian’ity fiofanana ity dia nanapa-kevitra ny ekipan’ny PRÎSM fa hanantontosa fanangonana angon-drakitra trondro in-4 isan-taona (Janoary, aprily, jona ary novambra) ary fitsim-pamantarana haran-dranomasina isan-taona (novambra). Ny fanangonana angon-drakitra voalohany (ny fitsim-pamantarana) dia natao tamin’ny volana aprily 2018.


Ny tapany voalohany ny taona 2019, ny PENYCOMMIN TRUST FOR WILDFLIFE CONSERVATION dia nanapa-kevitra ny hamatsy ara-bola ny tetikasa amin’ny fomba fijery maharitra, izay tena ilaina amin’ity karazana fandalinana ity. Nandritra io vanim-potoana io ihany koa no niarahan’ny PRÎSM niasa voalohany tamin’ny ivon-toeram-pikarohana CORDIO  (Coastal Oceans Research and Development – Indian Ocean) mba ahafahana mametraka ireo lahatahiry ho an’ny tatitra isam-paritra sy manerantany momba ny fari-pahasalaman’ny haran-dranomasina.

Ny volana desambra 2019, ny ekipa siantifika MAREX  dia nantsoin’ny PRÎSM tany Sainte-Marie indray mba anofana ny ekipa amin’ny ambaratonga 2 hamantarana ireo zavamananaina anaty haran-dranomasina.
Hatramin’ny volana janoary 2020, ny fitsim-pamantarana dia notanterahina tamin’ity ambaratonga vaovao ity.

Ny tena tanjon’ny PRÎSM dia ny hanovo hevitra sy hanombatombana ny toe-pahasalaman’ny haran-dranomasina, ny fivoarany mponin’ny trondro ary ny firafitry ny haran-dranomasina. Izany dia mba ahafahan’ny ny mponina manana fanapahan-kevitra amin’ny ho avy mahakasika ny  AMP sy ny  LMMA.

 

 
 
This site is registered on wpml.org as a development site. Switch to a production site key to remove this banner.