FIZAHANA ANTSITRIKA


Ny tanjon’ny fizahana antsitrika dia ny fanatsarana ny fampafantarana ny harena voajanahary manodidina an’ireo toerana voafidy ireo. Io fampafantarana io dia ahafahana mamaritra tsara tsara kokoa izay mampiavaka ny fitsim-pamantarana. Ankoatr’izay, ny sary sy horonan-tsary nalaina nandritra ireo fitsirihana ireo dia mameno ny tahirin-tsary ka entina manatsara ny fihaonambe sy ny fiofanana.

Hatomboka ny taona 2021 ny fizahana antsitrika. Indray mandeha na indroa isan-taona no hanaovana izany.Ny faritra anaovana  antsitrika dia hapetraka manodidina ireo toerana voafidy ireo, atao amin’ny faritra lalindalina kokoa, ka hofaritan’ireo mpanao antsitrika mialoha rehefa avy mizaha ny sarintanin-dranomasina izy ireo.

Mandritra ny fisitrihana, ny mpanao antsitrika iray dia mifantoka amin’ny fanaraha-maso ny trondro ary ny iray kosa mizaha ny faritra “benthique”.

Ny dingana siantifika arahina dia ho toy izao manaraka izao:

Ichthyologie:
Fanisana ny trondro eo amina toerana raikitra. Ny mpanao antsitrika dia tsy mietsika ka mandray naoty ireo karazany, isany sy habeny eo amin’ny faritra manodidina ny 7 metatra mandritra ny 5 minitra.

Benthique:
1 / Tombana hita maso amin’ny isan-jato: rakotra haran-dranomasina + rakotra vatohara izay efa mia-malemy + ahidrano sy fanombanana ny fototra mafy, miongotra ary fasika.
2 / Ny isan-jaton’ny haran-dranomasina + ahidrano
3 / Fanamarihana ireo 4 na 5 karazany betsaka indrindra
4/ Sary mitsangana 10 mirefy 1-4m2 eo ho eo sy sary mandry 4.


 
 
This site is registered on wpml.org as a development site. Switch to a production site key to remove this banner.