FANARAHA-MASO AN-TSARY NY HARAN-DRANOMASINA


Amin’izao fotoana izao dia misy dingana apetraka ahafahana manatanteraka ny fanaraha-maso an-tsary ny amin’ny izay fiovana misy eo amin’ny haran-dranomasina. Isan-taona, na in-droa isan-taona indraindray, dia alaina sary ny ampahany rehetra amin’ny fitsim-pamantarana, isaky ny iray metatra, mba hahafahana mampitaha ireo sary ireo amin’ny taom-pamaritana.

Ity fanaraha-maso amin’ny endrika sary ity dia azo ampiasaina hanehoana ny vokatra azo avy amin’ny fanangonana lahatahiry amin’ny fomba mivaingana kokoa. Rehefa mandeha ny taona maro, dia ho lasa fitaovana tokana hahazahoana an-tsary, izay fiovana nisy teo amin’ny haran-dranomasina.
Izany ihany koa no fomba hampahafantarana ny fiantraikan’ny fahafotsian’ny vatohara amin’ny vondrom-piarahamonina “benthique”, amin’ny halalan’ny endrika “photo-quadrats” ohatra (v. Guide à l’attention des gestionnaires des Outre-mer Français pour le suivi environnemental des épisodes de blanchissement corallien et l’évaluation de leurs impacts sur le peuplement corallien, Ifrecor, janvier 2019 / Torolàlana ho an’ny mpitantana ny faritany frantsay any ampitan-dranomasina momba ny fanaraha-maso ny tontolo iainana sy ny fahafotsian’ny  vatohara sy ny fanombanana ny fiantraikany amin’ny mponina, Ifrecor, Janoary 2019).

Mazava ho azy fa ireo sary ireo dia fitaovana an-tsary ampiasaina mandritra ny fihaonambe sy fiofanana.

Antsipiriany ara-teknika:
Loha fakan-tsary ampiasaina: 16mm
Sary mijadona nalaina miala 1 metatra ambonin’ny haran-dranomasina sy isaky ny metatra.


 
 
This site is registered on wpml.org as a development site. Switch to a production site key to remove this banner.