Essai menu side bar
Ilay mpitety toerana anaty rano
Fantatra fa manorom-ponenana eny amin’ny harambato ny vatohara, ary tsy dia tia loatra manao dia lavitra na mifindrafindra toerana. Kanefa raha ny endriny olatra dia ahafahany mandeha toerana lavitra alohan’ny hipetrahany amin’ny “substrat”. Azo lazaina ho tafiditra ao anatin’ny fianakaviam-be ny plankton no misy azy.
Ny plankton dia ahitana fivondronan-javamanan’aina maro be. Ny mampiavaka azy ireo ? Miaina sy manaraka ny firindrany ranomasina ary ireo singa rehetra anaty rano. Na dia bitika aza ny ankamaroan’ireo zava-manan’aina ireo, dia mety ahitana ampahany ihany izay mihalehibe. Ohatra amin’izany ny “meduse”. Ireo vondrona plankton ireo dia maneho ny ankamarohan’ny zava-manan’aina rehetra an-dranomasina.
Raha ho an’ny biby vatohara dia manomboka amin’ny fananahana. Mamoaka ny atodiny sy ny tsirinaina any amin’ny haran-dranomasina ny vatohara. Io tranga-javatra io dia mahavariana tokoa ka dia antsoina matetika hoe « feu d’artifice sous-marin » na atao ara-bakiteny oe « afomanga an-dranomasina ». Rehefa izay dia manomboka ny fandonahana. Afaka miaina amam-bolana maromaro ao anaty rano ireo atody velona ary afaka mandeha sy mitety toerana lavitra. Ireo olitra vatohara ireo dia azo heverina ho anisan’ireo « zooplancton temporaire », izay sokajy ahitana ny atody sy olitry ny biby isan-karazany (hazandrano, akorandriaka, trondro, sns.). Rehefa manomboka mahaleo-tena ireo zava-manan’aina ireo dia mandeha irery na mifiikitra amin’ny “substrat” iray. Toy izany ny fomba fivoarany’ny vatohara, izay miataka ny tontolon’ny plankton ho amina fiainana milamina eny amin’ny haran-dranomasina.
Tsy tantara fotsiny ity ampahany voalohany amin’ny fiainana planktonika ity. Mitarika fanjanahana “substrat” vaovao izy sy fifangaroan’ny foto-tarazo (brassage génétique) eo amin’ireo haran-dranomasina maro samihafa, na dia mifanalavitra aza izy ireo.
Io vatohara io dia sady mpanorina no sady mpitety toerana izay mampiavaka azy iany koa.
Auteur : Juliette Damien, Océanographe
Les 3 images ci-dessous nous sont confiées par Jon Lapeyra Martin, Université Libre de Bruxelles – ULB – Interfaculty School of Bioengineers. ESR – Marine Biology and Oceanography.
L’image en bas de page est un assemblage de photos d’organismes (qui ne sont pas à la même échelle) isolés à partir de traits verticaux de filet WP2 réalisés dans le Parc Naturel Marin du Cap Corse et de l’Agriate en Corse ces 3 dernières années . Cet assemblage nous est confié par Lovina Fullgrabe, chercheuse à STARESO (Station de Recherches océanographiques et Sous-marines).