Essai menu side bar
Bitika izy ireo. Tsy hita maso. Misy an’arivony tapitrisa. Isaky ny iray santimetatra toradroa amin’ny vatan’ny haran-dranomasina dia mety hahatratra iray tapitrisa ny isan’izy ireo. Raha tsy misy azy ireo anefa dia tsy afaka mitombo ny vatohara. Inona no antony? Manatsara ny fahafahany manala ny fako metabolika sy manamafy vatohara ho vatosokay izy. Loharanon-tsakafo mivantana ihany koa izy ireo satria afaka manangona sy manodina otrikaina voafetra. Ary satria ny natiora dia tsy mahihitra amin’ny hatsaran-tarehiny, izy ireo iany koa no tompon’andraikitra amin’ny lokon’ny vatohara. Volontsokola, loko volotany, mena, volomparasy, manga, mavo. Izy ireo no mpanao ny hosodoko mampamiratra ny haran-dranomasina.
Iza mou izy ireo ? Izy dia ahidrano misy sela tokana , bitika tena bitika ary tena ilain’ny vatohara maneran-tany. Manana anarana kintana izy io ka anstoina hoe “zooxanthelle”.